Actualités

Nandrombaka amboara ny Oniversitean’ny Mahajanga

25 Oct 2019 Sport
Partager:

Tontosa soa aman-tsara ny lalao nasionaly « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires » ou ASIEF izay notontosaina tany Antsiranana tamin’ity taona 2019 ity. Arak’izay dia nandrombaka ny amboara teo amin’ny taranja « Basket-Ball » sy medaly volamena, volafotsy ary varana teo amin’ny taranja « Athlétisme » sy « Karaté » ny mpiasan’ny Onivesitean’ny Mahajanga.

Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika ireo mahery fo izay nandray anjara tamin’izany lalao izany. Nisy ny « Carnaval » izay niainga teny Belobaka ka namakivaky ny tanànan’ny Mahajanga ary nifarana teny amin’ny « Campus Ambondrona ».

Dibo-kafaliana tanteraka ny Oniversitean’ny Mahajanga ary velom-pisaorana an’ireo izay nanohana ny ekipa nandray anjara.

  • Partager sur: